lundi 22 septembre 2014

Sakafo Vahiny

Herinandro vaovao, nomena ahy sy ianao, entina hanaovana ireo asa aman'andraikitra sy ny adidy maha-olombelona. 

Mety ho mafy ny miandry, mety ho hafaliana fotsiny ihany koa. Tsy misy mahalala ny ampitso isika ka aleo hanohana aina aloha.

Indro zaraiko aminareo, sakafo tsotra mora atao: legioma nandrahoina tamin'ny entona sy henakisoa natao lasaosy.

Ny fanaovana azy: maka saosety 3 antonontonony, voasana, sasana tsara, ary tetehina somary manify, asiana sira dia apetraka @ vilia voatokana handrahoana sakafo @ entona. Maka "céléri", sasana tsara dia tetehina manify ihany koa ka ampiarahina @saosety (natao hanome hanitra mamerovero no ilantsika azy). Asiana sira ireo legioma dia andrahoina @ entona mandritra ny 30mn raha be indrindra. Mila tazanina matetika mba tsy hiova loko ny legioma fa hitazona ilay maintso mavana iny.

Etsy ankilany kosa, maka henakisoa 1/2kg, sasana tsara, tetehina araka izay habeany itiavana azy, asiana sira, asiana tamotamo dia andrahoina anaty "cocotte" mandritra ny 35mn ihany koa.

Rehefa samy masaka ny sakafontsika dia  aroso an-dovia, ka ny legioma no atao ambany dia ny henakisoa no manaingo azy eo ambony eo. 

Raha mbola misy fahazotoana dia manao  raozy kely @ voatabia atao haingony, dia asiana tongolo maintso ihany koa mba ho tsaratsara e!

by IkalaFanja


Rehefa avy nisakafo, nihinam-bary mitafotafo tamin'izato laoka matsiro dia handroso @ny tsindrin-tsakafo isika.

Eto indray dia paoma salantsalany 2 dia mahavita azy. Alaina ny paoma, voasana dia endasina @ dibera kely, somary rarahana tantely mba hahazo " karamely" (inona ry reto no fiantsoana caramel @ teny malagasy?).

Manamboatra fototra ihany koa, ka "cacao" sy "maïzena" no nafangaro t@ ronono. Avela haritra moramora eo ambony afo malefaka dia malefaka ka tsy ajanona haroiroina mandra-pitambatr'ireo rehetra ireo ho akora iray tsy miavaka. 

Ny ahy moa teto "cacao" mangidy be ka safidin'ny tsirairay no manisy an'io vatomamy mangamanga io na tsia. Izaho tsy nampiasa siramamy nefa nisy vahiny ka dia ny vatomamy no nanamamy ny tsindrin-tsakafo.

Afaka rarahana tantely ihany koa raha izay no tianao, na ho solon'ny vatomamy dia "chantilly" .... Hmmmmm.. Noana tampoka aho manoratra eto (Hay koa moa izao ora izao mitatao vovonana ka tsy mahagaga).


verrine by IkalaFanja

Dia izay indray ary aloha ry zareo mpamaky, manantena anareo hahazo fahafaham-po mandrakariva ny tenako.

Aza adino ny mizarazara @ny hafa ny rohy eto raha mba tianao izay hitanao ato.

Mankasitraka mandrakariva e!

7 commentaires:

  1. sady tsara tarehy no toa mafilotra ery ireto izy. Misaotra mizara izao rehetra izao e

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Ka mba mifampizara ny matsiro eto isika araky ny fotoana misy

      Supprimer
  2. Te hihinana be anio sary volohany,sosety sy henakiso io za. Zaho tena tsy mba tia sakafo misy cacao,chocolate zany moa dia tsimba tafifitra aminy vavako. Misaotra anao nizara e!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mampalahelo indray ndry tsy afaka mihinana cacao nefa izaho tia be! Ilay chocolat amer ireny hmmmmm

      Supprimer
    2. za kou tsy dia ty chocolat, le mangidy na misy alikaola mampihivingivina. zaho mangididy be ny elekelaky ny nono raha vao mihinana betsaka. soa fa tsy dia tia.

      Supprimer